Les paroles du Christ en langue étrangère !

3 Messages de MStGermain en Malagasy 6-7-8- Avril 2015


CLEFSDUFUTUR – 06.04.2015 – Mst.Germain

Hilaza vaovao maika izahay.Mila mailaka isika

Efa nampandre anareo foana izahay.Tsy tokony hiteny intsony ianareo hoe tsy mahalala ny zavamisy miseho eto an-tany , ary tsy tokony ho tratry ny fahakivina.

Izahay dia miteny : amin’ny volana fenomanana Alahamady(bélier), hifanatrika amin’ny vanimp’otoana lehibe miaraka hiseho eto an-tany ianareo : NY FANAVAOZANA

EFA MARO NY TENY SY HAFATRA NATAO IZAY mba ahafahanareo mahafantatra amin’izao fotoana izao ny antony.Ny fanavaozana dia efa eto an-tany, eny, nefa mbola maro ny fanamboarna hatao ; tena mila miady mafy hatramin’ny farany isika hirak’Andriamanitra : hatramin’ny fahapotehan’ny herin’ny maizina sy ny matérialiste eto an-tany.

Hisy fiovana lehibe  ho avy eto an-tany izay hanampy antsika olona,nefa tokony hiasa aingana ho @ fanovana tsy misy fahatarana,izany dia mba hampihenana ny fangirifirina sy fahasahiranana mahazo ny olona.Efa niteny foana izahay.haingana ianareo.

Ny volana fenomanana Alahamady (PL Bélier) dia fidirana eo @ fanovana goavana,@ fanomanana sy ny asa : NY HO AVY NY TANY.

Efa ao @ fanovana isika izao ; ary efa nanome ny zavatra rehetra izahay araka ny fahefana sy ny hery rehetra eo ampelan-tanana mba hanampiana anareo hiasa.Ny manaraka rehetra dia hisy fivoarana aingana be.

Tena amin’izao fotoana volana fenomanana Alahamady izao,ao anaty ny 3 andro manaraka,dia ho tafapetraka avokoa ny asa.tsy fotoana ny fiandrasana intsony izao fa fotoana ny asa ao @ Kristy,ary tena fidirana tanteraka à asa fanovana.Tonga ny ora hiasana ho @ fanovana izao.Ny herin’ i KRISTY  dia efa eto an-tany ary tena feno tanteraka.Ny zavatra hiseho ao anaty ny 3 andro dia hisy fihantraikany mivantana sy hitondra haravoana sy hafaliana ho amin’ny ho avy ny rehetra eto an-tany.Miandry ny asa avy @ olona izahay.

Eny , maro ny zavatra tsara efa miseho,nefa fidiran’ny asa avy any à avo aloha hatreto.Ny fisehoany  tsara mivantana ankehitriny dia tsara ; nefa tsy ny zavatra rehetra akory izany.Tsy tokony hiandry ny hafa hanao ny asa tokony ho ataonao ianao.

Matoa izahay miteny :ao anaty 3 andro : ny herinandro manontolo mihitsy izany.Ary ny herin’ny hazavana ao @ Kristy hanatanteraka izany dia mahery vaika tokoa mandritra ny 3 andro.fantatrareo izany ; miasà amin’izay.

Ny herin’ i KRISTY dia tsy hiala eto an-tany mihitsy.Efa tafapetraka sy mitoetra tanteraka  ao «  mont billat » izany araka ny lamina sy drafitra an’Andriamanitra.

Ampiasao izany herin’i KRISTY izany.Hampidino sy hampiro ao @ heritreritrareo sy ny fanahinareo izany.hazvao ny tany ho an’ny olombelona .Miasà ho an’i Kristy

M.St G- SL, 06.04.2015

En savoir plus : https://www.clefsdufutur-france-afrique.fr/news/la-pleine-lune-du-belier-engage-le-futur-du-monde/

CLEFSDUFUTUR-08.04.2015 – MSt Germain

USA (amérique) dia mitotongana sy mihapotika tsikelikely ary manohy sy manitatra ny filan-dratsy hanapotika.Ny tsy fifankazahoana USA – ISRAEL dia hitombo sy hiseho eo imason’ny rehetra , nefa tsy izany ny tena zavamisy : AMERIKA dia manohana sy manampy ny Israel.

Mandritra izany fotoana izany, ny RUSSIE ( soviétique) dia mandravina sy mandamina, miaro à toerana maro sady mametraka fifandraisana marolafy ami’ny firenena maro.Ny amerikana dia tsy handresy izany,efa fantatry ny Amerikana izany,izany no mampisahotaka azy izao.Tena amin’izao  fotoana izao mihitsy no mila miara mientana araka ny zay tratra sy mametraka  ny ho avy ny tany ara-drariny, izay ny Sovietika(Russie) tsy mitsahatra  ny mandamina sy mandravona izany.

Izao tontolo izao dia mahafantatra tsara ny zava-miseho , ary koa ny tokony hataony rehetra miaraka @ Sovietika(Russie) sy ny  fifandraisana marolafy izay miha matotra amin’izao.

Tsy mahasakana ny fizotran’ny fotoana izay voafetra manomboka izao izany ,Ary tena mahatsiravina sy mahonena ny zavamisy  eto ambon’ny tany.Tsy misy hanesoranay mihitsy ny teny rehetra nalazaina hatramin’izay : NY FIAINAN’NY TANY MATERIALISTE SY ARANOFO FOTSINY dia mizotra makany @ FAHAPOTEHANA.

Ny fanimbana ny tontolo iainana  dia tsy maintsy hatsahatra,hitsahatra mba ahafahan’ny tany miverina hiaina tsara indray.Izany dia hitarika ny fampijanonana tsotra izao ny indostrialization eto ambon’ny tany.Ny zavamisy eo @ fiovahovan’ny toetr’andro dia hitombo sy hisy fiatraikany be eo @ fiainan’ny olombelona,sy ny  fiainan’ny tany mihitsy.Efa fantatrareo tsara ny zavatra miandry anareo.Tsy manana safidy afa tsy ny misafidy ny hiasa ao @ Kristy ho amin’ny ho avy ny Tany isika ;Mivonona ianareo amin’ny  zavatra tsy azo hidiviorana : ny fahafatesan’ny olona marobe izay aman-tapitrisany ary ny fiainan’ny zanak’olombelona  dia hihena be ka hiverina @ fiainana tsotra sy lavorary.

Efa niteny foana izahay.Efa tonga à vanim-potoana ny HERY  FANATANTERAHANA NY  VOLANA FENOMANANA ALAHAMADY(PL bélier)isika.Mbola hiandry sy hiharitra ny zava-dratsy ihany ve ianao, ka nefa dia hiara hanomboka amin’izany ny FANAVAOZANA : HERIN’NY FANAVAOZANA AO @ KRISTY

M.St GERMAIN - SL, 08.04.2015

https://www.clefsdufutur-france-afrique.fr/news/le-pire-et-le-changement/

Clefsdufutur-07.04.2015-MSt Germain

Fampitana vaovao maika 

Feno ady et an-tany ankehitriny ary tokony ho fantatry ny olona izany.

Mikorontana tanteraka ary mirehitra afo ny tany ; tsy hisy mihitsy ny FANDRIAMPAHALEMANA  raha tsy ny rehetra no vonona ny miaraka mihetsika sy mamemtraka izany.Efa nomena avokoa ny zavatra rehetra mba hatongavan’ny fandresena ao @ fahamarianana, ny rariny, ary ao @ fitiavana avy @ Kristy .Tokony hapetraka amin’ny toerany izany FANDRIAMPAHALEMANA izany :ary amin’ny  fanatanterahana ny asa aingana,ary hamafisina tsy ankijanona izany na inona miseho sy ho akon’izany.Fotoana mahatsara ny hametrahana izany izao.

Mamerimberina foana izahay ny @ fanombohana ny fametrahana ny HERIN’NY FANDRESENA AVY @ MARINA MIARAKA  @ AMPINGAN’NY HAZAVANA KRISTY.

Traduit par Jean-Jacques Andrianaivo, Groupe Paysans de Madagascar

avec notre Gratitude pour son oeuvre de diffusion de la Parole Nouvelle !

Voir à Actualités les messages du 6 - 7 - 8 Avril 2015


En savoir plus : https://www.clefsdufutur-france-afrique.fr/news/a3-messages-de-mstgermain-en-malagasy-6-7-8-avril-2015/?hc_location=ufi