Message d'Unité de SL avec le Groupe Paysan de Madagascar.

HAFATRA HO AN’NY FIKAMBANANA TANTSAHA AO MADAGASIKARA(Ambohimananambola)

 

HAFATRA HO AN’NY  FIKAMBANANA TANTSAHA AO MADAGASIKARA(Ambohimananambola)

Ho anareo fikambanana tantsaha ao Ambohimanambola – Madagasikara

Tena mitambatra miaraka tanteraka isika satria dia manohy sy mamerina tsy mijanona ny fiombonana SL-JJA-GPM izay hafatra sy baiko nomen’i KRISTY mba hampiombona sy hampitambatra antsika.

 Ny fototra lehibe hiangan’ny asa rehetra ho fametrahana ny didy sy lalànan’i KRISTY dia miainga avy amin’ny TELOZORO(triangle) CHRIST-SL-JJA ho an’i MADAGASIKARA,ary ny hoan’ny Planina ho an’izao tontolo izao dia miainga avy amin’ny : Famille divine-Birao CDF-GPM(tantsaha Malagasy). Jean Jacques dia mikambana amin’ireo fikambanana fototra ireo, ary izany no mahatonga ny heriny Masina omena ny firenena Malagasy.

Izaho SL dia tsy mitsahatra ny miaro sy mivavaka ho fiarovanaan’i JJA sy ny Fiombonana amin’ny DEVAS ROYAL ao Ambohimanambola ho an’i Madagasikara. Ho fantatrareo sy omena anareo ny fifandraisana amin’ireo DEVAS tena manandanja eo amin’ny Planina an’i KRISTY. Ny antontan-kevitra sy tahiry rehetra mahakasika ny Planina ho an’i Madagasikara  hatramin’ny avril teo dia tsy mbola navoaka mihitsy fa harovana tanteraka mandrampiverenanay avy any SYRIE.

Ny zavatra rehetra maneran-tany dia mikatso tanteraka ankehitriny , izany dia mitarika ny olombelona hifoha sy hihetsika.Hihetsika tokoa ny olombelona  ho fanavotana ny tany.Ny herin’ny fivoaran’ny tetiandro ny volana, ny herin’ny vavaka  natao sy nilofosana hatramizay dia tonga eo amin’ny fotoana maha matoy azy araka ny akon’izany eny amin’ny tsy hita maso.Izany dia araka ny Planina an’i KRISTY.N y faharetana sy  fananana fahatokisana ao amintsika – manao ny asa vavaka  tsy mijanona sy isan’andro isika ho an’ny hoavy- asa ao amin’ny FITIAVANA sy NY FINOANA.

NY HERY AO AMINTSIKA DIA NY FITIAVANA SY FINOANA AN’I KRISTY.

Mametraka ny fahatokisako tanteraka anareo tantsaha ao Ambohimanambola aho, fikambanana mahatoky  izay mankatoa an’i KRISTY.

Izany dia hery lehibe ho an’ny Planina an’i Kristy manodidina an’i JJA.

Manome ny herin’i KRISTY  isan’andro  anareo aho SL ary manonona ny anaranareo tsirairay avy ao anaty hafaliana ny fahadiovana sy ny fitiavanareo.

 

Izay rehetra tonga manampy sy miaraka aminareo dia ho eo amin’ny  « aura ny GPM » avokoa.

Ny heriko SL  dia mitombo hatrany satria dia mitambatra amin’ny fahavononan’i SANAT KUMARA sy LM miaraka amin’ny Fitiavan’i KRISTY aho.Hahatsapa izany hery lehibe izany koa ianareo satria isika dia Fanahy miombona sy mitambatra ao amin’ny herin’i KRISTY. Ny fandresen’ny  Planina an’i KRISTY dia tanteraka tokoa.

Hafaliana sy fisaorana lehibe amin’ny fijoroanareo sy fanomezanareo  Fitiavana ho an’ny vahoaka Malagasy,sy ny asa hataon’i JJA amin’ny anaran’i KRISTY.

SL, 22 .09 .2015


traduit par JJA


En savoir plus : https://www.clefsdufutur-france-afrique.fr/news/hafatra-ho-anny-fikambanana-tantsaha-ao-madagasikara-ambohimananambola/