Voici les Messages du Christ et de Maître Saint Germain traduit en Malagasy par JJa.

HAFATRA HO FILAZANA NY FIRAISANKINA MALAGASY EO HANATREHAN’I KRISTY

 

messages de Christ et MStGermain du 18 Juin 2015 pour le Peuple Malagasy, traduit par JJA

HAFATRA HO FILAZANA  NY FIRAISANKINA  MALAGASY EO HANATREHAN’I KRISTY.

Ity dia teny fanokafana ihany .

Ny fananganana ny fiainana sy fiarahamonina vaovao dia tonga eto Madagasikara, izany dia ho an’ny mponina sy ny firenena Malagasy.

Avy amin’ny toem-panahy sy kolon-tsaina izay vohatahiry ao amin’ny Malagasy izany.

Tokana ny hatongavana amin’izany dia ny FIRAISANKINA SY FIOMBONANA.

Tokana ny lalàna dia ny fananana FAHAVONONANA sy FITIAVANA ho entina miady amin’ny sakana sy olana rehetra miseho.

Raha ny marina dia nosafidin’Andriamanitra i Madagasikara hametrahana ny Planina napetrany amin’ny maha Nosy azy, ary noho ny tantara fiarahamonina hananany efa fahagola dia ny «  FIHAVANANA – FIRAISANKINA – FOKONOLONA » izay mifantoka amin’ny fomba fiainana FANAHY NO MAHA OLONA ; io kolon-tsaina sy lova tsara io dia avy amin’ny Fifandraisan’ny Mlagasy tamin’Andriamanitra (KRISTY na ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY). Zavatra efa tafapetraka ao anaty ny Fanahy ny Malagasy izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany.

Araka izany dia fametrahana ny FIRAISANKINA SY FIOMBONANA eto Madagasikara dia hiharahan’ny rehetra sy ny daholobe misalahy mba hanjaka eto amin’ity Firenena Malagasy ity ny Fiainana tsotra feno Fifankatiavana sy fanajana ny Rariny sy ny Marina ho an’ny Vahoaka sy ny Mpitondra.

Tokony ho afaka miaina ao anaty fiaraha –monina tsotra ka hibanjina ny hoavin’ny Firenena Malagasy araka ny RARINY SY HITSINY  ao anaty FIRAISANKINA tanteraka isika rehetra raha MIOMBONA SY MIRAY HINA.

Avy amin’izany fiainana sy fiaraha-monina ao anaty ny RARINY sy HITSINY izay mifototra amin’ny FIRAISANKINA sy FIOMBONANA izany dia tokony tsy ho ekena intsony  sy ho foahanana tsy misy hatak’andro ny : HEVITRA FENO FITAKANY LAINGA IZAY HAFAFY eo amin’ny mpiray monina.

Izany dia hampiharina avy hatrany eo amin’ny vondrona sy fikambanana misy rehetra na sampan-draharaha na vondrona olona na tanàna na antokom-pivavahana.

Ny fivondronan’ny hery rehetra eo amin’ny vahoaka Malagasy sy n Mpitondra ao aminy no manetsika ny ainga vaovao ho amin’ny FIAINANA TSOTRA sy ARA-DRARINY eto Madagasikara, ka hampisy ny firindrana sy fifandanjana eo amin’ny fiainan’ny olona amin’ny maha fanahy zanak’Andriamanitra  azy sy ny tany izay mamelona sy hitoerany ary honenany.

Ireo lalàna rehetra misy eto ambon’ny tany dia avy amin’ny lalàna tokana dia ny : FIRAISANKINA (loi d’Unité) ; ary amin’izao fotoana izao dia isika Malagasy no voalohany hampiverina sy hamerina izany eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika sy ny Firenena Malagasy.

Ny FIVONDRONANA (Groupe) sy ny FIRAISANKINA( Unité) dia mitovy ary iray ihany izay mitarika amin’ny FIHAVANANA ; izany dia mampitoetra ny lalàna ny FITIAVANA (loi d’Amour) izay mitondra amin’ny fankatoavana sy fanekana an’Andriamanitra.

Adriamanitra dia nametraka ny FITIAVANA ho fomba fiainana ho an’ny olombelona mba hitondra antsika ho amin’ny FIRAISANKINA sy FIVONDRONANA ho amin’ny fiaraha-monina ara-drariny sy tsara,mendrika  ary marina.

Izay olona na vondrona manome lanja ny Firaisankina dia afaka mandray ny soa sy ny tsara avy amin’ilay Mpahary ka hibanjina ny tsara sy mahasoa hatrany ho an’ny taranaka mifandimby rehetra eto amin’ny Firenena Malagasy.

Izay rehetra miaina izany Firaisankina ao anaty fifankatiavana avy amin’Andriamanitra izany dia  haazo ny fiombonana amin’ny Mpahary.

Izany FIRAISANKINA sy fiaraha-monina miaina ao anaty ny FITIAVANA izany no tanjona ny fiainana eto ambony ny tany ho an’ny fananganana  Firenena Malagasy ao anaty FIRAISANKINA mankatoa an’ Andriamanitra(Kristy).

Ny FIRAISANKINA sy FITIAVANA dia fomba fiainana tsotra :

Tsy misy fitiavan-tena – tsy misy lainga – tsy misy kolikoly fa mametraka ny tombotsoa ho an’ny rehetra ho  ambony ; hifampizarana izay mahasoa sy mahavelona ary manaja ny lalàna velona avy amin’ Andriamanitra sy ny lalàna ny fanjakana mitoetra.Izany no maha Firenena hanjakan’ny Filaminana sy maha tany tan-dàlana ny Firenena .

Ny toetra avy amin’ny fihetsem-pony olona dia marika ny Fanahy , ka mametraka ny fiaraha-monina ao anaty FIRAISANKINA, mba hametraka fiainana hanjakan’ny RARINY – HITSINY - FILAMINANA ao anaty FIRINDRANA .

Avy amin’izany no hametrahana ny Firenena iray ho tan-dàlana ary mankatoa ny didy napetrak’Andriamanitra.

Ny fanajana ny FIRAISANKINA ho fototra hijoroan’ny fiaraha-monian sy ny Firenena dia tokony hiainga avy amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia : ny FITIAVANA – ny RARINY – FIAINANA MAHA FANAHY NY OLONA.

Ny fampisaraham-bazana sy fampizarazarana ny olona sy ny Firenena dia mitarika korontana sy ady ka mahatonga ny olona hanalavitra an’Andriamanitra.Avy amin’ireo tsy fahatomombanana rehetra ireo ny fahalovana rehetra mahazo ny tany sy ny zanak’olombelona ankehitriny  (kolikoly,fifamonoana,ady an-trano, fifandirana, ady tombotsoa , ny lainga,ny fahavetavetana maro, korontana samihafa)

Rehefa maro loatra ireo haratsiana miseho dia lavitra tanteraka ny FAHAZAVANA sy FITIAVANA avy amin’Andriamanitra ny olona ka rava ho azy ilay FIRAISANKINA sy FANAJANA NY LALANA.

Noho izany dia ireo rehetra miady ny hametraka ny FIRAISANKINA ho an’ny fiaraha-monina sy ho an’ny Firenena no afaka mahazo ny HAZAVANA sy HERY feno FITIAVANA avy amin’ ANDRIAMANITRA.

Izy ireo no manangana ny hoavy ho an’i FIRENENA MALAGASY izay ho lova maharitra mandrakizay ho an’ny taranaka Malagasy.

Ireo rehetra izay mbola manana hevitra hampisaraka sy hampanjaka ny tsy rariny sy ny kolikoly,ny fahalotoana,ny fitiavan-tena ary ny lainga eto amin’ny fiaraha-monina dia tsy ho afaka hanoy izany asa ratsiny izany intsony satria ho tonga amin’izy ireo ny sakana sy fahasahiranana hanakana ny heviny ka hitondra azy amin’ny faharavana sy fahapotehana tanteraka.

Isika vahoaka Malagasy eto Madagasikara no hampiseho eo hanatrehan’izao tontolo izao izany hasin’ny FIRAISANKINA SY FIOMBONANA ao anaty ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra sy fanajana ny lalàna velona eto amin’ny Firenena ; ka hampijoro ny tena fanjakan’Andriamanitra izay miray amin’ny fanjakana mahefa eto Madagasikara.

Izany dia ao anaty ny fanajana ny fahasamihafana sy ny hevitra maro samihafa hampanjariana ny fiaraha-monina ka nefa

Ny lalàna ny FITIAVANA sy ny FILAMINANA no mitondra sy mitarika ny Fandrosoana mirindra ao anaty FIRAISANKINAM-PIRENENA amin’izany.

Manaja ny fahafahana eo amin’ny tsirairay ny fametrahana ny FIRAISANKINA fa tsy maintsy mitoetra ao amin’ny fiainana maha fanahy ny olona fa tsy vatana sy saina fotsiny.

Avy amin’izany no hery entina mametraka ny Planin’Andriamanitra hanorenana ny hoavy eto Madagasikara ao anaty FIRAISANKINA SY FIOMBONANA.

Ny fananan’ny Malagasy FINOANA sy FANAHY mora mandray sy mankatoa  ary ny soatoavina ny FIRAISANKINA ao aminy dia tena zava-dehibe tokoa. Izany no hitenenana an’i Madagasikara ho firenena nosafidian’Andriamanitra ( KRISTY ) hampisehoana ny voninahitrany sy ny fahasoavany ; anjarantsika Vahoaka sy Mpitondra no mihaino sy manatanteraka izany  fanehoana Fitiavana avy amin’Andriamanitra izany.

Ny tantara hifandraisan’ny Malagasy sy ilay Mpahary dia mifamatotra efa hatrizay noho ny Fanahy Malagasy efa hatrin’ny ela be sy ny kolon-tsaina nanany.

Manomboka miteny sy mampiseho izany fifandraisana anaty manomboka mifoha izany Andriamanitra ( Kristy ) sy ny vahoaka Malagasy ary ny Firenena iray manontolo ka izany no handefasana izao hafatra izao ho fametrahana indray ilay FIRAISANKINA sy FIOMBONANA mihorina avy amin'ny FITIAVANA sy fanajana  ary fankatoavana ny Planina ho an’i Madagasikara.

Ho tafapetraka aingana eto Madagasikara ny FIRAISANKINA tanteraka eo amin’ny vahoaka sy ny Mpitondra avy amin’ny lalàna n’ny FITIAVANA sy fihandrandrana ny hoavy tsara sy mahasoa ny rehetra ao anaty ny rariny – mendriaka – fankatoavana ny lalàna ho lova tsara ho an’ny taranaka Malagasy.

TSY TOKONY HISY SAKANA MIHITSY NY FAMETRAHANA NY FIRAISANKINA HO AN’NY FIRENENA MALAGASY RAHA TOA KA MANAJA NY TOROMARIKA AVY AMIN’IZAO HAFATRA IZAO NY REHETRA( vahoaka, ny mpitondra, ny manampahaizana, sy ireo fikambanana samihafa).Ireo toromarika sy fanabeazana ny olom-pirenena dia avy amin’ny tenin’Andriamanitra sy ireo Mpanompony miasa ho fametrahana ny FIRAISANKINA SY FANDRIAMPAHALEMANA eto Madagasikara sy izao tontolo izao.

Tsy ho tanteraka anefa izany izany raha tsy ny vahoaka sy ny mpitondra no mampiseho fahavononana sy fiaraha-mientana manao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra manatontosa izany eo amin’ny fiainana sy fiaraha-monina eto Madagasikara.

Ao anaty FIRAISANKINA SY FITIAVANA tanteraka no tokony hanaovana izany asa lehibe sy mahasoa ho an’ny Tanindrazana izany ; izany dia eo amin’ny sokajy sy ankolafy samihafa misy eto amin’ny Firenena ( tantsaha, mpianatra,antoko fivavahana,mpanao politika, mpikaroka,manampahaizana,ny tafika, ny tanora sy ny ankizy).

Avy amin’ny FINOANA SY FITIAVANA tanteraka no hamitana izany asa izany ka mampivoatra sy mapiroborobo ny fampandrosoana eto amin’ny Firenena.

Izao hevitra izao no niaingan’ny FIARAHA-MONINA MALAGASY « FOKONOLONA »

Ny vahoaka sy ny Firenena Malagasy hampiseho ny FIRAISANKINA ao anaty FIFANKATIAVANA araka ny didin’ ANDRIAMANITRA.

Hatsangano ary ny FINOANA sy FAHAVONONANA ao amintsika hiaraka hanangana ny FIRAISANKINA isaky ny toerana sy andriakitra misy antsika avy , ao anaty ny FITIAVANA sy FANKATOAVANA ny didin’ Andriamanitra.

IZAO HAFATRA IZAO DIA AVY AMIN’ILAY ANDRIAMANITRA ( KRISTY TOMPO ) TOKANA ETO AMBON’NY TANY HO ANTSIKA MALAGASY REHETRA.

CLEFS DU FUTUR – MADAGASCAR – Groupe Pyasans de Madagascar.

KRISTY TOMPO

18 juin 2015.

FIRAISANKINA NY VAHOAKA ETO MADAGASIKARA.

Tokony ho hamafisina sy omena lanja avy hatrany ny FIRAISANKINA amin’izao vanim-potoana manahirana ny olombelona sy ny Firenean izao.

Ny dikan’izany dia :

Tsy tokony hijanona amin’ny zavatra niseho sy nahazo ny tsirairay sy ny fiarah-monina ary ny Firenena ny rehetra,tsy tokony ho kivy amin’izay mety ho fahasahiranana, tsy tokony ho sakana ny tsy fitovizan-kevitra sy tsy fifankazahoana sy ny mety olàna amin’ny maha olona ny Malagasy, izay zavatra efa lasa rehetra.

Ny hatao dia , tokony hiasa sy hihetsika araka ny LALANA ARA-DRARINY SY HITSINY.

Ny zavatra tena maika amin’izao fotoana izao dia :

NY FANANGANANA NY FIARAHA-MONINA HANJAKAN’NY FIRAISANKINA SY FIFANKATIAVANA HIADINA AMIN’NY FIHOVANHOVAN’NY TOETR’ANDRO ETO AMBON’NY TANY SY NY OLOMBELONA.

Tsy manana safidy intsony ny olombelona sy ny Firenena rehetra amin’izany fa na ny olona sy ny Mpitondra ao aminy Mampiseho FIRAISANKINA- MIFANAMPY na izy ireo dia miaraka mizaka ny onjan’ny fahapotehana sy faharavana sy fahafatesana miaraka izay ao anaty fahakiviana sy fahalovana tanteraka, tsy ny hanohanana akory izany lazaiko izany.

Ny toe-draharaha misy maneran-tany dia tena sarotra sy efa mizotra mankany amin’ny fahapotehana tanteraka ; ary i Madagasikara dia tsy afaka  amin’izany ; ho tonga eto tokoa ny fahatahorana sy fangirifirina noho izany trangan-javatra maneran-tany izany.

Araka ny tenin’Andriamanitra, dia ny zavatra rehetra dia eo ambany ny lalàna ny FIRAISANKINA (loi d’Unité).Avy amin’ny fitadiavana ny hevitra hitovizana sy mahasoa ny rehetra no hafahana mandresy ny haihay sy tebiteby mety hibahana ao an-tsaina sy ao ampon’ny olombelona.

Izany hevitra hiombonana,hitovizana sy mahasoa ny rehetra izany dia ny :

  • Miaina ara-drariny sy tsotra ao anaty Filaminana

Ireo rehetra miaina ao anaty tahotra dia ho lasa hitokamonina ary tsy afaka hifanampy sy haazo fanampiana amin’ny hafa.

Tokony hahay hifanantona sy hifanampy ny rehetra araka ny toerana misy azy sy ny zavatra hatao mba hafahana mametraka ny FIRAISANKINA SY FIFANAMPIANA eo amin’ny mpiara-belona sy ny Firenena.

Tena sarotra tanteraka ny vanim-ptoana diavin’ny zanak’olombelona ankehitriny ; tsy afaka hametraka safidy na hiandry intsony isika rehetra , indrindra ny Malagasy sy ny Mpitondra ao aminy :

Tena ao anaty ny toerana antsoina hoe tratry ny loza mitatao isika, satria dia miova ny lamina rehetra eto an-tany, ary mila manaraka sy mahafantatra izany isika araka ny fitsingerin’ny volana sy fihetsiny , izay tahaka ny fitsirin’ny zavamaniry sy ny fandrosoan’ny zanak’olombelona.

Ny lalàna ny FIVONDRONANA na FIRAISANKINA dia :

Fampiharana ny lalàna ny fampraisana ny Hery mampihetsika rehetra ( loi d’énergie  automatique).tsy ny olombelona intsony no afaka hamaly araka ny lalàna nataony araka ny sitrapony ( tsy  midika hoe hanova ny lalàna mifehy ny firenena akory izany), fa dia hanetsika ny Hery mpanetsika hamaly tsotra izao : ka na manaiky ny zavamisy eo amin’ny natiora na manohitra mivantana ny hery voajanahary ( hery avy amin’Andriamanitra).

Raha tsorina dia :

Ireo rehetra manohitra ny FIRAISANKINA, ny FAHENDRENA, ny FIAINANA MARINA SY ARA-DRARINY, dia manetsika ny hery voajanahary ( énérgie Divine) ka amin’izany izy ireo dia handray n y valin’asany avy hatrany : amin’izany dia tsy afaka hanimba na handrava ny FIRAISANKINA izy ireo .

Isika rehetra izay manao ny asa fametrahana ny FIRAISANKINA dia tokony hanaja ny lalàna ARA-DRARINY, ary hikajy sy hanaja ny FOTOTRA NY FIRAISANKINA – FIVONDRONANA ka tsy hamela ireo izay efa tafiditra ny tsy mendriaka fa mpandainga,mpanao kolikoly, ireo tia tena rehetra.

Ny lalàna ny FIRAISANKINA dia hampharina ao anaty ny fahadiovana sy fahavononana ka tsy tokony handefitra mihitsy amin’ny fahalovana sy faharatsiana na dia kely aza .

Ireo rehetra lalàna lazaina fa avy amin’ny fahamasinana dia TOKANA ary IRAY IHANY dia :

  • Lalàna ny FITIAVANA

Ny fitiavan-tena  dia tsy tokony hanana anjara toerana intsony eto ambon’ny Tany , eny eto Madagasikara manomboka izao.Ny lalàna ny FIRAISANKINA  dia manala avy hatrany ireo tia tena :

Izay rehetra tsara ho anao sy ho ahy dia tokony mahasoa sy tsara ho an’ny rehetra.Ny fizarana izay mahasoa ara-drariny, ny fifampizarana ny tsara, ny mendrika ,ao anty firindrana, ary ireo Tanora sy ny marefo dia ho tsinjovina mandrakariva.

Ny Fandriampahalemana dia hatsangana ao anaty fametrahana ny FIRAISANKINA – ary ireo Fikambanana rehetra dia havondrona ho iray ao anaty FIRAISANKINA – araka ny rariny ho an’ny  tokana mankany amin’ny rehetra.

NY FANDRIAMPAHALEMANA DIA MITSANGANA AVY AMIN’NY FIRAISANKINA SY FIFANAMPIANA ARY NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA NY TSIRAIRAY AVY HATRANY.

TSY MISY FANDRIAMPAHALEMANA MILATSAKA AVY ANY AN-DANITRA – FA TSY MAINTSY MIADY MAFY ISIKA MAMETRAKA IZANY KA AO ANATY NY FAMETRAHANA NY FIRAISANKINA NO HAVITANA IZANY.

NY FIRAISANKINA DIA TANJONA HAPETRAKA MBA HISIA’NY HOAVY MAMIRATRA SY ARAKA NY RARINY EO AMIN’NY FIARAHA-MONINA SY NY FIERENENA.

Tokony hanaiky ny fahasamihafana isika rehetra fa hanaja kosa ny maha fanahy ny olona , ka samy zanak’Andriamanitra ny tsirairay.

Tsy tokony hanaiky intsony izay rehetra mety ho lainga sy fitaka , na fandemena ny fampivondronana , ny kolikoly  isika  fa hibanjina sy hikatsaka  ny soa hoan’ny rehetra, ny Firenena ao anaty FIRAISANKINA .

AMIN’IZANY DIA NY FIAINANA  handroso sy mahafinaritra ary feno fifankatiavana sy firaisankina no ho tafajoro ho an’ny rehetra.

Amin’ny manaraka ny  hafatra sy fanairana antsika hifankatia sy haneo firaisankina dia horesahana ny hatao  hoe :

Herin’ny fanovana sy ny tokony hatao amin’izany eto Madagasikara.

M.StG

Clefs du futur – Madagascar – Groupe Paysans de Madagascar

18 juin 2015


En savoir plus : https://www.clefsdufutur-france-afrique.fr/news/hafatra-ho-filazana-ny-firaisankina-malagasy-eo-hanatrehani-kristy/