Voici un écrit de JJa en Malagasy pour la Jeunesse du pays !

HAFATRA HO AN’NY TANORA MALAGASY

 

HAFATRA HO AN’NY TANORA MALAGASY

Hafaliana sy haravoana no hanoratana ho antsika tanora Malagasy rehetra amin’izao fotoana izao ; ianareo ilay taranaka mamin’ny fo tokoa izay avy amin’ireo Ray aman-dreny rehetra nahary sy nikolokolo anareo ho olombanona tahaka izao.

Eny tena mahatsapa ianareo ankehitriny fa manadalo zava-tsarotra sy manahirana ny olombelona sy ny firenena, eny izao tontolo izao mihitsy aza ;noho ny ady samihafa, ny tsy filaminana , ny fampianarana sy ny asa izay tsy mamaly ny ankamaroan’ny heteheta ao anatinareo.

Ny fanantenana rehetra amin’ny hoavy eto amin’ny fierenena sy izao tontolo izao dia mipetraka sy mitoetra ao aminareo tanora satria dia ny tanora no manana hery sy fahadiovanan-tsaina mbola afaka hampitomboina mba hitondra ny fanavaozana sy fanamboarana ny tany sy ny firenena vaovao indray.

Andriamanitra dia nametraka ny mpanompony maro maneran-tany mba hitondra izany tsirimpanantenana vaovao izany ho ao amintsika zanak’olombelona rehetra indrindra ao aminareo tanora ankehitriny ; tahaka ny tamin’ny andron’i JESOSY KRISTY 2000 taona lasa izay dia namafy izany voa izany Andriamanitra mba hitoetra ao anatin’ny tsirairay ka hamoa sy hitondra vony ho amin’izao vanimpotoana sarotra lalovan’ny zanak’olombelona izao.

Izany voa izany dia ny FINOANA sy FANKATOAVANA an’i KRISTY TOMPO –  FITIAVANA ; ny fanantaterahana amin’ny asa rehetra hatao izany fampianarana sy fomba fiaina nampianarin’i Jesosy kristy izany no tena zava-dehibe.

Efa maro loatra ny fandikana lalàna sy hevi-diso mahakasika ny tenin’Andriamanitra nataonireo zoky sy Ray aman-dreny teo aloha ka izany no mahatonga ny fiainan’ny olombelona sy ny tany ho feno fangirifiriana sy fijaliana tahaka izao.

Ianareo tanora sy ankizy ankehitriny no hametrahan’i KRISTY TOMPO ny fitiavany sy fanantenany miaraka aminireo Mpianany sy Mpanompo miasa miaraka aminy hametraka ny hoavy vaovao eto amin’ny tany sy ny firenena ary izao tontolo izao.

Raha miaina ny fahadiovana ao amin’ny fo – saina  sy ny heritreritra rehetra ianareo dia ho afaka hifandray sy hampitombo ny herin’ny vavaka isan’andro izay hataonareo.

Ny fanolorantena avy aminareo ho tonga iray ao amin’ny Kristy  avy amin’ny asa rehetra sy heritreritra rehetra avy ao aminareo no mitondra izany fanavaozana sy fanorenana ny hoavy izany.

Ireo rehetra izay miara-miasa ho fanatanterahana ny planin’ Andriamanitra ho an’ny tany sy ho an’i Madagaisikara dia mivavaka sy miasa mandrakariva ho an’ny Firaisankina sy Fifankatiavana eo amin’ny olombelona rehetra – firaisankina ho an’ny firenena – Fiombonana amin’ireo olomasina sy Anjely rehetra miasa miaraka amin’ny Kristy – Firaisankina amin’ny zavaboary rehetra – ary ny firaisankina manerana izao tontolo izao  (univers).

Isika tanora no tena hitondra avo ny voninahitra lehibe amin’ny Fitiavantsika ny firenentsika sy fitiavantsika an’ Andriamanitra.

Tsarovy fa Kristy dia mihaino sy mandray izay fangatahana sy fitalahoana hapetraka aminy raha toa ka tsy misy fitiavan-tena sy lainga ary famitahana ny vavaka hatao aminy.

RAISO KA OMEO ANJARA EO AMIN’NY FIAINANAO KRISTY !

Jean jacques


En savoir plus : https://www.clefsdufutur-france-afrique.fr/news/hafatra-ho-anny-tanora-malagasy/